TRATRY NY FARANY (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TRATRY NY FARANY

Tratry ny farany, tratry ny farany
Ho an ny 2008, izay koa ny anjarany
Tratry ny farany, tratry ny farany,
Izay zavatra ratsy, adinoy koa ny anarany

Tratry ny farany isika rehetra
Dia mba kingakinga aza dia mitoretra
Pasohy ny akanjo, jereo ny fitaratra
Ianareo lehilahy mandehana miharatra

Tratry ny farany , dadabe sy bebe
Ho avy izahay amin ny bonne annee
Ny zafikely rehetra ho avy daholo
Hitondra korana ho antsika tontolo

Tratry ny farany dada sy neny
Aleo aloha hifety ,rahampitso miteny
Samia miomana amin ny lalany avy
Rahampitso indray mihaona isika mianakavy

Tratry ny farany zoky sy zandry
Ny tary sy namana izao mbola miandry
K’aleo rahampitso mifampitantara
F’izao aloha miomàna daholo sao tara

Tratry ny farany ianao ry Malala
Aza matahotra izaho tsy hiala
Fa hamaramparana azy isika
Ataovy izay mety amboary ny bika

Tratry ny farany, tratry ny farany
Veloma ry 2008 no anarany
Tratry ny farany, tratry ny farany
Zay fa izaho koa maika, sao gisitra farany
--------
Rohy:
Sokajy : Fety
1852 2
Hevitra mandeha
benasy ( 05/01/2009 09:40)
Kanto ka! Mety ...Tena tsara!!!
Efa nomaninao ve sa avy nosoratana teo no ho eo ???
raozigasy ( 05/01/2009 11:37)
aiza kosa dia hoe nomanina e
mba niainga ilay fanahy tamin iny e....
fahamarinana ( 09/01/2009 08:16)
Dia mamerina indroa hono manana ny inona moa ! Tratra ny taona dia ho taona feno fifaliana hatrany.
raozigasy ( 09/01/2009 17:10)
Misaotra an'i Fahamarinana hatrany e ...
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0314