You are here: home > Vetso

TSY ADINOKO IANAO - raozigasy

Tsy adinoko ianao Ranabaviko malala
Tsy adinoko mihitsy ary ianao eo mahalala

Fa raha mikombona  ny vavako
Sy mangina tsy misokatra
Raha mitokona ny tanako
Mijanona ka tsy manoratra

Raha tsy andrenesam-baovao
Ny momba ahy sy izay fiainako
Raha nangina ahy tao ho ao
Ka tsy henoinao izay taintainako

Dia sanatria tsy hoe manadino
Na sanatria tsy mahatsiahy
Haiko fa ianao koa mino
Tsy adinoko isika dahy

Fa sahiran’ny fiainana
Sempotry ny fitadiavana
Ny hazakaza-dava iainana
Mampanadino mihitsy ny havana  

Koa nijanona aho androany
Fanahy iniako mihitsy aza
Ny hamela izany rehetra izany
Ka hiverina ho zaza

Hibitsika aminao indray
Irony fahiny fony kely
Tsaroako ireo isika fahizay
Tsy nisy adidy velively

Tsaroako na ireo ditratsika
Na ireo ditrako nifandazàna
Ireo sangisangy, izay nasiaka
Saika nivoana ny lalàna

Tsaroako ireo fiarahana
Fifanafenana ny hafa
Tsaroako ireo mbola nibahana
Hatramin’izao anaty tafa

Tsaroako ny fankahalana
Nataon’ny sasany antsika
Tsaroako koa ny fahalalana
Fa kamboty izao isika

Tsaroako fa lalan’ny fiainana
Ny fisarahana eto an-tany
Tsaroako fa tsy fitarainana
No nasetritsika izany

Tsaroako fa isika dahy
No voalohany sy zoky
Ka izandrikelintsika
Amintsika no mitoky

Tsaroako fa ny ankehitriny
Dia fiainana hafa sy efa lavitra
Fa ny fahiny eo ho Fahiny
Fahatsiarovana efa lavitra

Sady mankahery aho no miteny
Mahereza hatrany ianao
Tsarovy koa fa ireny
Dia fiainana nandao

Ka  fahatsiarovana no sisa  
Hitamberina ho tsiahy
Ny omalintsika eo hitanisa
Ny lasantsika telo-dahy

Ka ankehitrio, andao indray
Samy hiatrika ny ho avy
K’ireo tantara fahizay
Fanoitra ho antsika mianakavy

Dia mahereza ianao ry zandry
Amin’ny tokantranonao
Dia veloma any amin’i Zandry
Izay no hafatra lazao

Tsy adinoko ianao Ranabaviko malala
Tsy adinoko mihitsy ary ianao eo mahalala


21-03-06


Hevitra mandeha

pissoa (11/04/2006 20:42:39)

Tsara ilay tononkalo.

Manana anadahy tokoa izany anabavy izany :)

raozigasy (28/04/2006 23:00:41)

Misaotra anao Pissoa mankasitraka ny mankafy ny rangodrangotro e !

jobily (24/02/2007 11:52:46)

tena manana engampanahy mamorona zavatsoa toy izao ianao ary tena nisy fiatraikany t@ fiainako ilay izy teo fa misotreeeee

Hametraka hevitra

Midira aloha