TSY AZOKO (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy azoko sakanana, tsy halazo izany ravina
F’izay no lalàn’ny voary, ka tsy azoko hoe ho lavina
Fa ny azoko atao, dia ny mikarakara
Manondratondraka azy, mitondra kolo tsara

Tsy azoko fefena, tsy ho maizina ny andro,
Satria tsy maintsy hilentika hariva ny masoandro
Fa ny azoko atao, dia ny mianoka ny tarany
Sy mitahiry anaty, ilay hafana nozinarany

Ianao tsy azoko terena, raha mandà ny foko
F’angamba ny fitiavako, no vilany diso toko
Fa ny azoko atao, dia mitsiriritra an’nofy
Sy manohy ny fiainako, raha tsy te ho farofy
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
993 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0344