TSY DITRA FA FITIA TSY TE HIPITRA (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny antsika hono ditra, fa fitiavana angalarina
Fitia mihoa-pefy, fitia hita fa tsy marina
Fitia tsy mazava fototra, sy feno zimbazimba,
Fitia sadasada, mpandrava sy mpanimba

Isika hono adala, fa tsy mahay manaja olona
Isika hoe tsy vanona, mpamita-janak’olona
Isika hono diso, fa tsy mahay mipetraka
Fa milalao afo sady mpihetraketraka

Dia izaho nihomehy anaty, raha naheno izany,
Rahoviana vao hangina, ny vavan’ny eto an-tany
Tsy hainy mantsy fa, ny antsika anie tsy ditra
Fa fitiavan-diso anjara, tsy te hipitrapitra

Dia ianao koa haiko any, fa hisafoaka kely
Hoe ireo miteny ireo, angaha misy iray anjely
Izay ataony tsy hitany, ka ny fiainako no kianiny
Aloe ny hafa hanao, izay tiany sy mba maminy
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1916 1
Mpakafy: scotlandyard
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0329