TSY HAIKO (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY HAIKO

Tsy haiko na izaho no vonto alahelo
Tsy haiko na izaho no donton-tomany
Fa toa manjombon-dava toa rakotr’avelo
Sy maizina lava izany ny tany

Tsy haiko na izaho no resy sy irery
Tsy haiko na izaho no mangina sy sina
Fa ao anatiko lalina ao misy fery
Manaikitra mafy nefa tsy azo didiana

Tsy haiko na izaho no sakaizan’olana
Tsy haiko na izany ny hoe naman-drakivy
Fa izay jereko rehetra toa mangorangorana
Ny tontolo rehetra toa marikivy

Tsy haiko na izaho no be disadisa
Tsy haiko na izaho no be adin-tsaina
Fa rehefa nataoko ny visavisa
Dia feno ny foko ka toa be taraina

Tsy haiko hoe inona re no azoko hatao
Tsy haiko hoe inona no azoko ambara
Entiko mba ilazana aminao
Fa ketra-pitia aho vao lasa ianao
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
1127 1
Mpakafy: oracle
Hevitra mandeha
ampoka ( 19/11/2006 18:04)
iazho koa tsy mahay nefa mba te ahalala
raozigasy ( 19/11/2006 19:56)
ketraka ny foko
ketraka ny aiko
lasa ilay tiako
ka miasa be ny saiko
katiaa ( 31/01/2007 00:32)
ntsooo
Soarilala ( 09/05/2010 15:35)
mazava ho azy izany fa resim-pitia ka tsy hisy azo ambara na azo atao f'izay zany....
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0315