You are here: home > Vetso

Tsy ho hadinoko iny - raozigasy

Azo vakiana?

Ho setrin'ny "tsy ho hadinoko iny" nosoratan'i Kiriah

Tsy ho hadinoko iny
Fa misy pejy iray
Voakafiry, notsitsiany
Ho azy mandrakizay

K’ireo tantara rava
Voasaraky ny androany
Ireo teny diso vava
Voatahiry any

Tsy ho hadinoko iny
Fa an-toerana  voatokana
Izay fitadidiany
Izy no atokana