Tsy takatry ny bala (raozigasy)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay mangan-danitra , no solon-taratasiko
hanoratako ho anao, ilay fitia midadasiko
ireo rahom-potsiny ; no solon-dranon-teny
hiangaviako anao,hanao ny foko hoe « ENY »

Ity habaky ny tany, tsy hita noanoa
kely raha mitaha, amin'ny fandeven'ny fo
mireda ho anao, an-joalan'ny fitia
hibaradahako hoe : « TIAKO LOATRA INDRY »

Ilay tapi-para-tazana, fefin-dranomasina
bitika madinika, tsy ampy entiko hanamasina
hanandratra an-danitra, ny hotra-pitiavako
hambara boraboraka : « TIAKO IANAO RAHAVAKO »

Izao tontolo izao, voatsinampy anie Malala
raha oharina habe amin'ity foko lasa adala
izay babonao tanteraka tsy misy salasala
ny mandam-ponao anefa … toa tsy takatry ny bala
--------
Rohy:
936 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : raozigasy
Nampiditra : raozigasy
Daty : 03/03/2014 02:35
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0301