Tsy voatery (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy voatery hoe volabe, hahavidy izao tontolo izao
No tsy maintsy voaangona, sy tsy maintsy anananao
Fa finoana tsy voavidy, tsy tambazana harena
Matotra sy tsara fehy, ka tsy taitra raha rebena

No ilaina anananao, mba hahafahanao miady
Amin’ny fanahy ratsy izay mpamarina any an-kady

Tsy voatery hoe fiadiana, raitra sy tsy hay tohaina
ka indray mi-py maso monja, dia mandripadripak’aina
Fa finoana manan-kery, vonon-kiaro ny rehetra
Tsara fototra sy faka, tsy matahotra fepetra

No ilaina anananao, mba hahafahanao miady
Amin’ny fanahy ratsy izay mpamarina any an-kady

Tsy voatery hoe angovon-kery, matanjaka sy tena varatra,
Ka ao anaty poa toa izay, dia manjavona Ankaratra
Fa finoana lehibe, feno zoto tsy matahotra
Raha sendra ady sarotra, tsy mba mihemotra na miahotra

No ilaina anananao, mba hahafahanao miady
Amin’ny fanahy ratsy izay mpamarina any an-kady
--------
Rohy:
Sokajy : Fiderana - Aingam-panahy
939 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0847