VAKY LOHA (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VAKY LOHA

Ankona ny tena, ankona ny saina,
kenda tsy niteny, ny molotra koa maina
nahita izato sary, loha malagasy
izay nizara roa, voatifitry ny basy

kivy sy torovana, ana, valalanina
tsy naharay sotro intsony, tsy nihinan-kanina
nahita izato sary, tena valan-ketraka
nangovitra ny lohalika, ka tena tafapetraka

loham-behivavy, misokatra sy vaky
voasokatry ny bala, toa ny diam-pamaky
sarin’habibiana, sarin’horohoro
mampanonofy ratsy, mampangorohoro

misy soratra eo akaiky, milaza “aza mijery”
izay mora tohina, tsy ratra ity na fery
nefa natoky tena, niseho sahisahy
ka dia nijery ihany, fa hoe tena lehilahy

kanefa re ny vokany, tsy zakan’ilay saina
fanina ny maso, ny fanahy savolaina
te hikiaka,hanompa, hanozona hiantso tody,
izay nanao izao, ka tsy mataho-tody

tsy afaka mankaiza nefa te hitroatra
amin izato habibiana, efa tafahoatra
tsy habibiana intsony, fa asan’ny satana
satria ny biby aza, indraindray azo rarà na

dia tohina ny fo, ka malahelo anaty
samy malagasy, iray afero sy aty
dia mifamono an-toerana, sy mizarazara
ontsa aho ry tanindrazako, raha izany no “ho tantara “
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana - Alahelo - Ady
1126 1
Mpakafy: Zozoro
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0324