Veloma ianao (raozigasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na laroinao lefa-teny, sy angolan-dangolango
Na fenoinao pitrapitra, arahin-tsafo lambolambo
Aza izany hatakao

Tsy hanokatra ny foko intsony, efa leo maheno fona
Ka nokitronin’ny fitia, fa nozarinao voadona
Noho ireo fitakao

Fa aoka izay ny amintsika, fa ampy ahy ny ditranao
Na dia hoe efa nekeko, ho zanako ny zanakao
Ny fo sy saiko leo anao

Tsy hampiova hevitra ahy intsony, izato ranomaso havozona
Efa tso-drano no nomeko, na dia tokony ho ozona
Koa dia veloma ianao
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
1477 0
Commentaires
radarta ( 06/02/2011 14:37)
Marina! kanefa tsy efa nivoady ve!
Ny ho ehiara-dia?
Dia ho tapahina hatreo
Ireo dinan'ny Fitia?

Sao lahy mbola misy iany
sombitsombiny aminao
Ahafahany misisika
Fa ny fony anie mitempo anao eh!!

Mankahery ny mpanoratra,

ARA
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0317