VELOMA VETIVETY (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VELOMA VETIVETY

Veloma vetivety r’ilay malalako iny
Izay ranomaso latsaka aza omena tsiny
Fa fitia niseho ivelany, sarotra nafenina
Alahelom-po ka sarotra tenenina

Veloma vetivety r’ilay tsy foiko indrindra,
Mahereza hatrany raha izay no hampirindra,
Ny ho avy ho tsara loko, ny ampitso ho tsara lamina
Dia toneo ny fo, ny saina aleo hilamina

Veloma vetivety r’ilay sombin’aiko
Matokia ianao, fa’ilay isika Hajaiko
Veloma ianao ry Tiako, veloma ianao ry Lala
Mandra-pihaona ihany dia ... manoroka maLala
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana - Fiainana - Alahelo
3847 2
Hevitra mandeha
helitiana ( 15/11/2006 09:47)
Mankasitraka fa tena tsara be,enga anie ka hitohy izany tantara.
Malalason ( 15/11/2006 15:00)
mampahatsiahy ahy ilay tonon-kirako hoe :

ny tafa nifamaliana teo anilanao ry Tiana
ka vetivety foana dia tonga ny fotoana
nifanaovana veloma, veloma mandram-pihaona
aza malahelo rahampitso mbola hihaona
Toa nanonofy aho raha nilaozanao
tsy andriko ny ampitso hihaonantsika indray

Malalason
Ryana ( 17/11/2006 12:55)
Mampalahelo!
raozigasy ( 21/11/2006 23:35)
ny alahelo tsy zaraina
tena mampiferitraina
ny alahelo tsy avoaka
mahatehisotro toaka
hihihihihi
ramalagasy ( 25/11/2006 02:32)
Marina zany nefa tsy tokony atao haha-ketraka e
toetra ( 08/12/2006 23:09)
Migadona !
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0317