You are here: home > Vetso

Zara - raozigasy

Azo vakiana?

Zara

Ny alahelonao
mampalahelo ahy

Ny fahanginanao
koa mba fahanginako

Ny fanjombonanao
mampanjombona ahy

Ny fangitakitakao
koa dia fangitakitako

Ny ratranao anaty
izaho tsy mahatanty

Ny hirifirinao
tena hirifiriko

F'ianao raha tomany
izaho mahatsapa izany

Ka raha mety ianao
dia hozaraintsika

Tsy ny alahelo ihany
fa ny hafa sy ny sisa

31/05/04

Sokajy : Alahelo

Hametraka hevitra

Midira aloha