You are here: home > Vetso

HENTITRA - RASOA

Azo vakiana?

Tsy ao an- tsainy ny handratra
Tetika ny vatravatra
Ekeny Izy hoe tsy mitsitsy
Nefa mazava sy mahitsy
Tiany mantsy ny ho henoina
Fa tsy resaka safoina
Mba ny rehetra no hanaraka
Dia tsy nasiany avakavaka
Amin'izay ho tadidy sy ho hajaina
Ireo torimarika notanisainy

Tsy sanatria miaramila
Fa tsy tiany mihitsy ny mibilabila
Hataony mihitsy izay hampandaitra
Na dia henonao mafaitra
Tsy misy resaka vazivazy
Na zavatra mandeha ho azy
Rehefa hentitra dia hentitra
Tsy maintsy tratrany ny fenitra

              RASOA
              MAY 2012

Sokajy : Alahelo

Mombamomba

Mpanoratra : RASOA

Nampiditra : RASOA16
Daty : 19/04/2022
Mpamangy : 86
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

TSY NISALASALA
MPANOFA
FAHENDRENY
MIOVĂ€
MAMPIARAKA
TSENA
MAMAKY BOKY
NY HAZO
RAHA HO AVY
FOTOANA