MAHAY AHO RY DADA SY NENY ! (RATSIMBA Georges)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mahay aho, ry Dada sy Neny,
Mamaky ny teny hoe :
la-la, no-ro, mi-te-ny,
Sy manoratra hoe : dadabe !

Mahay aho, ry Dada sy Neny,
Manisa hatramin’ny zato ;
Ireny manambatra ireny
Vitako tsy mila vato !

Mahay aho, ry Dada sy Neny,
Na hirahira na hanao tsipy sandry ;
Ka nony nanaovako ireny
Variana ry zoky sy zandry !

Mahay aho, ry Dada sy Neny,
Mamono kahie mbamin’ny boky
Rah’izay manao an’ireny
Tsy hindramako intsony an’Izoky !

Mahay aho, ry Dada sy Neny,
Ka moa tsy marina ve
Fa efa mba anisan’ireny
antsoina hoe : olon-dehibe !

9 febroary 1965
Ny RAHONA
--------
Rohy:
Sokajy : Fifaliana - fiainana
2143 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105