NAHOANA NY RAHONA ? (RATSIMBA Georges)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nahoana Ny Rahona no haratsina ?
Tsarovy fa izy no he nofidina
Mba hitari-dalana ny Israely
Tsy handevozin’ny mponin’I Neily.

Nahoana Ny Rahona no haratsina ?
Saingy nietry ka bantibantina
Fitiavana anefa no anton’izany
Hamangy ‘reo resy eto ambonin’ny tany.

Nahoana Ny Rahona no haratsina ?
Avy aiza ny rano madio tsy vidina?
Rahona ireny no nidina ambany
Hanala hetaheta ny mponina an-tany.

Nahoana Ny Rahona no haratsina ?
Tsarovy fa izy no he nofidina
Hitondra ny Tompo hiakatra indray
Ho amin’ny Toerany mandrakizay.

Atambo mitranga dia rahona hono,
Mba aoka ho lazaiko ny ngidin-dronono
Tsy mety! Tsy mety! Mangidy ny Vahona
Fa mamy ny rano avy amin’Ny Rahona

Migaina ny andro mimenona izy
Oadray ny hafanana, mandoro izaitsizy
Dia avy Ny Rahona mitondra orana
Oadray safodrano, hono, ka atahorana.

Mangarivotra-Mahajanga 26 Novambra 1948
--------
Rohy:
1650 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102