AMINAO AHO... (Joda Razakasoa)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AMINAO AHO...

Aminao aho mahatsapa ny lanjan'ny fitiavana,
Aminao aho mitia amin'ny foko manontolo...
Tsy haiko ny hamaritana ny tena hasambarana
Fa aminao aho manolotra ny fitiavako tontolo!
Amiko ianao...silan'ilay silako!

Mafanafana izany ny ao anaty foko!
Rehefa injay mamihina ny vatanao malia...
Ny tsikinao mihantsy...ny tsongontsongonao tsy foiko
Fa vao maika mampanonja ny herin'ny fitia!
Sambatra aho rehefa ianao anilako!

Ny tsootsio-drivotra avy any andrefana any!
No mitondra ny hatsaran-tarehy hisaloranao,
Tsy haiko fa ny foko no mitia hatrany
Manaiky tanteraka fa tena resinao!
Resy tsy miady amin'ny lalana hombàna !

Aminao no miantefa ny eritreritro ao anaty!
Aminao no hanohizako ny tantarako indray...
Iriako am-po mangina mba ho mandra-maty
Ilay faniriantsika hiombona ho iray!
Aminao aho...manana Fanantenana !!

"Tiako ianao"

JODA RAZAKASOA
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
649 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103