Ampidiro aloha ny tenimiafina
IO SORATRA IO (Joda Razakasoa)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Matoa ianao poeta !matoa ianao eto anivon'izao tontolo izao,
dia misy hetaheta
tiana ho vahana amin'ny anjara taninao,
matoa ianao nohariana !
ka arafitra hilomano anatin'ny fanahy,
dia misy vinavina
mendrika apetraka, lavitra ahiahy!
matoa ianao mikalo !
mikalo mangina ravahim-peo-kira,
dia misy fahavalo
resy noho ianao hatrany an-dakira,
matoa ianao misy!
dia tsy tongatonga foana, f'izao no tadidio:
ianao dia toy ny lisy
mijoro mandavan-taona, noho io soratra io...
Joda RAZAKASOA
04 desambra 2017
--------
Lien:
