NAKATOKO NY VARAVARANKELIKO (Joda Razakasoa)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eto am-baravarakely no hitazanako ny lanitra,
dia raho-mitatao handena ny vatana
No misoko hamelona ny voninkazo manitra
Nikoro an-taona maro...nampihintsana ny rantsana,

Mpandalo miserana ireny tazako ireny...
lehilahy mpiasa hamonjy ny fodiany
Sy reny iray mibaby zazakely
Dia tovovavy iray hamonjy ny olon-tiany,

Mihazakazaka dia manapika elo...
ilay zazavavy te hahita ny malalany!
sasatra misento, f'angaha malahelo?
Sa efa ela no tsy niraisana ny làlany?

Dia...

Mirotsaka ny orana manamando ny tany,
natsipiko ny masoko tamin'iretsy voninkazo,
Tsy nitsangana ny taho fa niondrika ihany,
Tarangana midaboka sy potipoti-kazo,

No hitako sangian'ny orana mitraho,
Dia misento aho, mitsikitsiky irery...
Tinaitra tampoka ny foko kely ao,
Avy eo nakatoko ny varavarankely,

Fa nipoaka izany varatry ny hariva
Namakivaky lohasaha nampangina ny tanàna,
Ho maizina ny tany, indro, he madiva
Hampahory ireo fo miaina fahabangana,

Fa hay...hay ny foko ihany!
no voninkazo voasoratro etsy ambony,
Fa hay...hay ny foko hatrany
No mikoro sy kotsain'ny orana tsy tony,

Nosokafako indray ny varavarankeliko,
dia mpisakaiza mifamihina ao anaty orana
no voajeriko maharitra ka nampilatsaka ny peniko
fa ianao ilay notiaviko no efa afak'olana,

Natrakako ny lohako hibanjina ny lanitra ,
Avy eo nakatoko ny varavarankeliko,
Mbola mitolefika ny voninkazo manitra
Ao an-tratrako ao, ka mampihintsina ny heriko,

He!!!! Mitsahatra ny orana...


Joda Razakasoa
--------
Rohy:
821 2
Mpakafy: 03314 - Inofy
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0171