ANDROANY FOTSINY MAMA (Joda Razakasoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANDROANY FOTSINY MAMA A...

Mama o!
Mialatsiny mama a! Tsy sahiko lazaina am-bava izao dia ataoko an-tsoratra,
Mijaly anie aho mama e,tsy fantatrao izany fa maro loatra ireo fery sy holatra
Mandrotika ny foko,mandoto ny fanahiko,mifona aho,tsy fantatrao izany...
Aleo aho haneho ny alaheloko,tsy maninona fa androany fotsiny ihany,

Fa iny dada dada iny,vadinao no raiko no mahavita manolana ny zanany!
Lazainy foana rehefa eto ianao fa isika hono no tena hasambarany,
Dia hanao izay tratry ny heriny izy mba hiadanantsika,diso izany mama a!
Diso daholo izany fa rehefa tsy eto ianao,izaho no hanaparany adalana,

Miezaka manohitra aho fa malemy noho izy,mafy ny hery hananany!
Tsy mino mihitsy ny saiko hoe ray niteraka no manolana ny zanany,
Mama o! Vao miteny anao hono aho dia vonoiny ho faty isika roa!
Tsy vitan'izany fa hisarahiny hono ianao e,mama o! Tsy tsapanao moa!?

Rehefa avy miasa ianao dia tsenaiko eo an-tokontany no fihiniko mafy erÿ,
Mahatsapa maivamaivana aho amin'iny,mahatsapa kely ampahana fitia,
Dia avy eo aho mitomany dia ianao manontany hoe fa maninona ny zanako?
Dia izaho mamoron-dainga foana:" nianjera aho mama dia folaka ny tanako!"

Mifona aho mama a,tsy folaka ny tanako fa laingako ireny rehetra ireny,
Tsy tiako ho simba mantsy ny tokantranonareo dia aleoko tsy miteny,
Aleoko manakotsa ondana amin'ny ranomaso sy anaty fo marary,
Tiako ho sambatra ianao mama a,tsy tiako ny hahita anao mijaly...

Fa mama o! Androany fotsiny ihany aho no mamoaka ny alaheloko,
Androany fotsiny ihany mama fa mbola anaty soratra no hafeniko,
Ny raiko nianteherako no namotika ny fiainako,nefa ianao izao manantena e?
F'izaho ilay zanakao hendry mbola madio lavitra mihoatra noho ny volamena...

Ao an-tsaiko foana ny hafatrao,diso aho mama a,diso aho mamitaka anao!
Ianao miasa mafy erÿ,miala maraina,mody hariva,nefa...ny zava-misy izao
Te ho faty aho mama a,inona intsony moa no antony havelomako?
Marary ahy ny vatako,karazam-piainana inona no tokony hitolomako?

Aleo hangina aho mama a,androany fotsiny aho no manoratra tononkalo,
Mitondra am-bavaka anareo aho na dia ato an-trano no fahavalo...
Dadako foana iny,dada dada foana hoy ny feon'ny fieritreratako!
Tiako ianao mama a,tiako ny tokantranontsika dia aleo izao hiaretako...

Mifona aho mama a!!

JODA RAZAKASOA

(Tantara notsoahina avy amin'ny zava-misy tena marina)
--------
Rohy:
Sokajy : tantara - fiainana
431 0
Hevitra mandeha
TononkaloNM ( 08/11/2022 18:27)
Salama, notsoahina tamin'ny tantara taloha ve sa zava-misy amin'izao ity tantara mampalahelo ity ? día fantatrao ve ilay olona ?
Mila fanampiana izy, izay mahafantatra fa misy ankizy miaina izany zavatra izany dia tokony handray andraikitra. Mampahafantatra ny manampahefana. Fantatra fa tsy mora fa tsy azo atao koa ny mijanona amin'izao. Vonjy Aina sady tsy famelana ny ratsy hanjakazaka.
hery ( 09/11/2022 04:07)
Sendra izay ray tsy v....
03314 ( 20/11/2022 07:15)
Salama daholo,ity tantara dia tantara henoko fotsiny teny anivon'ny fiarahamonina teny,tsy fantatro ilay olona,tantara efa taloha ilay izy,nisy fotoana koa aho sendra nijery horonantsary vahiny dia toy toy izao ilay tantara tao anatiny dia niainga ny aingam-panahy ka nosoratako ilay izy avy eo
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144