You are here: home > Vetso

ANJARA EFA NEKENA - Joda Razakasoa

Azo vakiana?

ANJARA EFA NEKENA...

banjino ny  masoko,tohofy  ny molotro...
ry diadema  haingon' eo an-dohako eo,
Zava-tsarobidy ny fitiavana natolotro,
nanako am-peo niery tsy nahavoaka feo,

Hiverina tadidy ny ankaso notoherina,
ny hafatra nalefa tamin'irony vorona!
Ny tsikinao niantefa izay niverimberina,
Ianao nanaiky nilaza ho"vonona"

Dia hivadibadika ao an'eritrerintsika,
Ny pejy nosoratana narafitra ho boky,
ny afo be nandoro,ny fiainam-paradisa,
Ny adiady nampisaraka,ny dina sy ny toky...

Ny andro niantomboan'ny fo nifamatotra
ny fotoana nambaboanao tamin'izany!
Mampitombo ny fitiavako tsy asiana ady varotra
fa tiako ianao ,... eny! hatrany, hatrany

Rehefa vitanao ny manoroka ny molotro,
Dia ho tsapanao fa androntsika anio...
Volam-penomanana,tsy hatakaloko,tsy ho soloiko
fa handravaka ny hakanton'ny morona madio...

Isika no mpanoratra handrafitra ny ho avy,
Hamolavola sombiniaina anaty  fahendrena...
Hanao sonia,hilaza sahady!
Fa tanteraka ny"ANJARA EFA NEKENA"

Mifankatia isika...

Joda RAZAKASOA

Hametraka hevitra

Midira aloha