INDRAINDRAY (Joda Razakasoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
INDRAINDRAY TIAKO...

Indraindray tiako ny mijaly,indraindray tiako ny marary...
Indraindray mba tiako voaratra kely any anatiko any,
Indraindray tiako ny mitomany,indraindray tiako ny lavo,
Indraindray aho manetry tena kely tsy te hisandratra avo!

Rehefa mijaly aho mantsy,manomboka tsapako mahery,
Rehefa maratra aho mantsy,manomboka manana ody fery,
Rehefa mitomany aho mantsy,mahay mamindra irery...
Rehefa lavo aho mantsy,mahay maka lesona amin'ireny,

fa indraindray fotsiny ihany no hiriako izany rehetra izany...
Manjary rehefa lavo foana aho,ny farany,tsy tafarina ihany,
Indraindray aho diso,indraindray aho mana-mari-tena!
Indraindray aho te haditra kely rehefa anaty fahendrena...

Indraindray aho te hiaina anaty haizina,hafahako manantena ny mazava...
Indraindray aho te ho tezitra,avy eo mitsiky lalandava,
Ny fo rehefa ory,voavolavola ho lasa mafy be...
Ny saina rehefa voadona foana,matanjaka amin'izay rehetra aleha

Indraindray aho...indraindray aho te himamo be hisotro toaka!
Indraindray aho...te hinambary fotsiny amin'izao tsy asiana loaka...
Hatsapako mantsy fa tsy fifaliana foana no tokony ho tsapako!
Mila mijaly kely aho hafahako mamaritra hoe hatraiza ny hasambarako?

Joda Razakasoa
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - Aingam-panahy
338 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143