HIRINDRINA AO AM-PASANA (Joda Razakasoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho fahatsiarovana an'i Zoky be FAFAH

HIRINDRINA AO AM-PASANA...

Eto am-pandrenesana ny rivotra mandalo...
no hitarainan'ny zava-kanto masina,
injany mitamberina irony kalokalo
nananatra,nampiarina ny fon'ireo nitrikasina!
fa lasana ianao...lasana niampita!!
handao mandrakizay,hiaina paradisa...

Mangina ny tontolo,moana ny masoandro!
miraraka ny haizina manamaloka ny tany,
fiainana manga irony isan'andro
nivetsoina ny "Ise kely"...eh!! nofy sisa izany
saingy hitoetra foana foana,
tsy ho lefy am-po...tsy hangina,tsy himaona!!

Eto am-pandrenesana ny rivotra miserana,
no hivetsoiko lalina ireny hira manitra...
Andrianiko ianao...voninkazo fanaperana!
na hirindrina ao am-pasana hisidina eny an-danitra,
izay kantonao dia kantoko,ny hiranao no hirako!
ianao no fitaritr'ireo andalan-tononkirako!!

Kopa-tanana malefaka homban-dranomaso,
no sisa hampitony ny alahelo anaty...
Hazo avo nofofoin'ny ankaso!
nokikisan'ny aretina mandram-pahafaty,
Oh! Olo-manga ianao,niofo ho fanahy...
Eh!!! mandriam-piadanana "Zoky be FAFAH"

Joda RAZAKASOA
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
1255 1
Mpakafy: hery
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0112