MARARY AMINY (Joda Razakasoa)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MARARY AMINY...

Iny zazavavy iny...
Ranomaso am-po tsy ambarany amin'iza!
no mikoriana anatiny,mamonto ny tontolony,
Ny herika nifafy tamin'ireny harivariva,
Mbola hirany eto izay tsy ahitany solony,
fa mangidy ny tangena mitobaka eo imolony

Mandatsa ny fahiny,
Dia-tongotry ny lasa teny amorom-pasika
no niteraka foana ny alahelony mangina,
Manafosafo ny fony ny rivotra mikasika
solofon'ireo ratra ,tomany,hakiviana!
fa tsy tantiny ny vita nahatonga fahoriana,

Asa dia nahoana?
Fa omaly hariva no nandrenesany indray!
f'iny no fotoana nahatapaka tarangana,
vohitra efa firy no notetezina hatrizay?
taho efa firy no najoro sy natsangana,
f'ireny rehetra ireny,tsisy iray mba niangana!

Mangina izy,moana
fa feno ranomaso ny aliny rehetra,
navadika takila,nojerena ireo diary!
sendra tany karakaina ilay fo nangetaheta
tsy tena izy ireny fa hay kisarisary
Nentina nambabo fotsiny ihany...

Iny zazavavy iny,
Ranomaso am-po tsy ambarany amin'iza!
no mikoriana anatiny,mamonto ny tontolony,
Ny herika nifafy tamin'ireny harivariva
Mbola hirany eto izay tsy ahitany solony,
fa mangidy ny tangena mitobaka eo imolony!

Ny sainy marefo,ny fony tomany!
manembona indray ny vita omaly,
Marariny izao,marariny ihany...

Joda Razakasoa
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - Aingam-panahy
357 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144