Hafatra (Rdr_jr)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Reo hafatro rehetra
Izay voatanisako etsetra
Dia mba tadidio avokoa
Ary mba saino,ataovy an-doha
_*_
Ka raiso zay mahasoa
Raha misy tsy mety mijoroa
Sahia manao hoe "eny na tsia"
Fa tsy manaikinaiky fahatany sanatria
_*_
Ataovy anatra ny fiainana
Mihainoa raha mba hitarainana
Mifanampy amin'ny zay atao
Ny tsindry hazo lena avelao
_*_
Mba manaova ny marina hatrany
Na ambony ianao na ambany
Fa zany no sitrak'ilay nahary
Ary havoty ireo izay mijaly
==> Rdr_jr
--------
Rohy:
Sokajy : fananarana
949 1
Mpakafy: Rdr_jr
Hevitra mandeha
Rdr_jr ( 11/07/2017 21:10)
Mila fifanampiana ny fiainana fa tsy vitan'olo-tokana
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rdr_jr
Nampiditra : Rdr_jr
Daty : 11/07/2017 20:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142