Ny fitiavantsika (Rdr_jr)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fiarahantsika taloha
Dia mbola tsy afaka ato andoha
Akehitriny nefa toa tantara
Lay fitiavantsika tsy anjara
_*_
Tsy foiko ireny fiarahana ireny
Satria tiako ireo angola sy fiteny
Nefa indrisy fa dia rava
Ny alahelo anefa tsy mety hisava
_*_
Atramin'izao aho mbola mangina malaelo
Ireo tsiaro injao mamelovelo
Manembona ireo angola sy safosafo
Ka gina tsy mahatelina sakafo
_*_
Ny hasolo anao alo tsy ho asiko
Fa ianao ilay efa nofidiko
Ka tsy eo anilanao manjombon-dava
Ary alahelo no manenika ny tava
==> Rdr_jr.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
956 1
Mpakafy: Rdr_jr
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rdr_jr
Nampiditra : Rdr_jr
Daty : 11/07/2017 20:31
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141