08 NOVAMBRA (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
08 NOVAMBRA

Dimy ambinifolo taona androany
No nandaozanao ny tany
Nefa toy ny vao omaly
Ireo ketoky ny jaly
Sy ny rotsa-dranomaso
Izay nateraky ny ankaso
Ny tomanim-pahoriana
Hiaka anaty mangingina
Alahelo safomorona
Nokoboni-nahatorana...

Nilaozanao e ka mangidy
Tsy mba afa-nisafidy
F'izay no lahatra ekena
Mahaontsa, mahonena...

Ato am-ponay lalandava
Ny tsiaro anao tsy ho rava...
Sady manantena anaty
Fitsanganana amin'ny maty
Amin’izay ianao hifoha
Rehefa hiverina Jesoa

RFE Andria - 08/11/2015
--------
Rohy:
Sokajy : Fahatsiarovana
779 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 07/11/2015 23:08
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0248