AFOIKO (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AFOIKO

Afoiko avokoa ireo fahotana rehetra vita
Tsy avakavahako, ny hita sy tsy hita
Tsy hotononina eto ary tsy hotanisaiko
Fa hitanao ry Tompo ny lisitra ao an-tsaiko

Indro fa apetrako eo an-tongotrao
Ny enta-pahotana novingitiko hatrizao
Meteza Ianao hanadio amin’ny rànao soa
Izay nalatsakao ho ahy ry Tompo Jesoa

Diovy avokoa ny fo, ny saina sy fanahy
Araka ny teny fikasana izay nomenao ahy
Milaza fa na iza no mavesatra entana
Manatona Anao, dia hientanentana

Koa anio aho mibebaka, ireo fahotana afoiko
Soloy fiainam-baovao, arovy tsy ho lotoiko
Dia fiainam-pahasambarana fa voavela heloka
Fiainan-ts’isy intsony ireo ratsy izay mangeroka

RFE Andria – 24 janoary 2015

(Matio 11: 28 Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.)
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
918 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 05/02/2015 11:13
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0166