AINGAM-PANAHY (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AINGAM-PANAHY

Izay hitako sy reko
teny rehetra teny
no zary koa nekeko
narafitro ho teny
nanainga ny fanahy
nivadika ho kalo
nivondrona ho tsiahy
dindo mihalohalo
dia teraka ho soratra
ho feo, ho antsaina
na mbola mifaroratra
kanto raha hiraina

RFE Andria – 28/06/2016
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
958 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : arofanina
Daty : 28/06/2016 14:18
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152