AIR MADAGASCAR (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AIR MADAGASCAR

Inona no ao ambadika ? Iza no minia mamotika ?
Mitodika aminao Filoha: aza avela ho rotidrotika
vao hasiana alaolana; mihentera dieny izao
fa raha io no midoboka, halemy ny fitondranao
Aoka ho asa izay mivaingana, tsy kabary am-bavahady
no ampiharina avy hatrany tsy hivarinany an-kady
Ny tombotsoam-pirenena no ataovy an-tampon-doha
ny vahoaka malagasy no tsinjovinao aloha
Aleo mamim-bahoaka na dia ho halan’andriana
Tsy ny androany no jerena fa tsinjovy ny ao aoriana…

RFE Andria – 22/06/2015
--------
Rohy:
708 0
Hevitra mandeha
dadatsima ( 27/06/2015 13:07)
tonokalo hoan' Prezida izany io e, sambany aho vao nahita tonokalo faneoan-kevitra ekonomika toy izao , tsara fa tohizo e
Arofanina ( 27/06/2015 15:31)
Misaotra ny @ fampirisihana e !
Miezaka mandrakitra an-kalo ny fiainam-pirenena e !
jock ( 07/07/2015 04:18)
OK
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 22/06/2015 08:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152