AIZA RE IZY ITY (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AIZA RE IZY ITY ?

Lazaina sy dradraina ho nahazo fahafahana izato ianao ry taniko
Nefa re nahoana no hatramin’izao mampirotsaka tomaniko
Izao tokoa va re no fahaleovantena nimatesan’ireo razako?
Raha izany mahonena ny fahitana anao hatreo am-paratazako

Sa kosa lahy aleo sarintsarim-pahafahana arahim-pihafiana
Fa tsy laitra loatra ny fanjanahan-tany niaretam-pijaliana
Ka dia aleo miaritra ny “omeko – tsy omeko” ataon’ireo vahiny
Na dia amoizana ny soatoavina navelan’ny razana fahiny?

Sa toy izay ihany nijanona dia lasa toa ny nosy Boroboana
Sy tahaka an’i Mayotte tsy manam-pahafahana fa tsy maty noana?
Ny anarany ihany sisa no hany tena azy fa na ny taniny aza
Efa tsy azy intsony fa efa natakalony toa kilalaon-jaza…

Fa raha izaho aloha aleoko fahafahana dia fahaleovantena
Amin’ny lafiny rehetra na ara-politika na ara-toekarena
Sa ve aho mitady toa gisa mainty, voa tsy ary sanatria
Valaka ny saiko, very koa ny hevitro: aiza re izy ity?

Tsiky AROFANINA – 11/07/2015
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
785 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 11/07/2015 16:30
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0685