AMPIO NY FINOAKO (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AMPIO NY FINOAKO

Ampio aho ry Ray fa mila hivembena
Kely ny finoako, marary sy ferena
Mba ampaherezo sy ampitomboy
Tsy velon-kantenaina, tsy maty ka hafoy

Sokafy re ry Tompo ny mason’ny finoako
Hibanjina hatrany ireo soa maro loko
Atobakao isan’andro ao amin’ny fiainako
Ampianaro aho hamoana ny tarainako

Aoka aho tsy hijery na koa hamisavisa
Ireo ratsy miantraika tsy ary voatanisa
Fa hiantehitra kosa amin-teny fikasana
Ampio ny finoako fa ny làlako malama

Tsiky Arofanina – 08/11/2015
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
905 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 08/11/2015 08:50
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015