AMPITAO NY FANILO (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AMPITAO NY FANILO

Izao leitsy a! (hoy aho amiko miteny irery)
Matokia leitsy ialahy fa ny ilo tsy ho very
Mbola ao sy efa mijoro ireo zandry mahavita
Vonona hamelo-maso ilay ainga miampita

Mandehana amin'izay, ampandrio izao ny penina
Mahazo miala sasatra izy tsy atahorana hanenina
Maro ireo tanora ireo, mahaleo mahalasana
Ny fanilo ampitain'ialahy no hany sisa andrasana

Ka izory izany dia, mianoha indray ny kanto
Iangalian'izireo anaty tara-bolana malanto
Izany leitsy a, tomoera! Aza misy fanahiana
Fa ny onjaonjam-pitia efa tsara familiana...

RFE Andria - 30/11/2015
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
935 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 30/11/2015 17:30
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151