ANDRO FAHA... (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
1
Halako izato tenako…
Ny efa vita nanenenako
Raha izay no nampaharary
Sy nandratra ilay voahary
Kintan’ny habaky ny nofy…
O! ry molotro, tohofy
Ny kapoaky ny mangidy
Mendrika ahy tsy an-kifidy

Ny voady ataoko anio ry tiana
Tsy ho tontolom-pahoriana
No iriako ho anao sy ho ahy
Fa ao an-tsahan’ny fanahy
Tontolo-nofim-pifaliana
Ao isika no ho sondriana
Hiara-hianoka hankafy
Ireo onjaonjan’ny fitia…

2
Andro faharoa androany
Hamafako ny tomany
Ranomaso noho izaho
Sy alahelo nifamaho…

Fihina mitondra mamy
Tontolo tsy ety an-tany
No ampianohako anao
Rivo-piainam-baovao:
Fitiavana madio no ao
Fitiavana tsy mankalao
Nofy izay mandavan-taona
Ravahan-tononkalo foana
Moa mba tianao va re
Fa homeko be dia be?
Meteza akia hankafy
Ireo onjaonja-pitia…

3
He! Akory ny hafaliako
Voaisotra ny hakiviako
Hafalian-tsy omby tratra
Haravoana feno fatra

O! misaotra Anao ry Ray
Andriamanitra mahay
Fa Ianao namaly vavaka
Andriamanitra miavaka
Nomenao fanambinana
Ary koa fitsimbinana
Fitahiana feno vata
Fa nositraninao i Nath
Ny diany O! ry Ray tsinjovy
Dia ny faniriany koa mba tovy
Ny hampianoka ny mpankafy
Ireo onjaonjam-pitia…

RFE Andria – 16/06/14
--------
Rohy:
Sokajy : Namana - Vavaka - fiainana
1038 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 05/02/2015 11:30
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0167