ANIO... (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANIO…

Tsy ny omaly efa lasa
Tsy naha tò ny nokinasa
No andeha hivalamparako
Hanaratsiako ny tantarako
F’ireny hataoko toa fanoitra
Hihoarako ireo tohitra
Tena misy, tsy azo laviko
Eny an-dalana diaviko

Tsy ny ampitso izay tsy hita
Mbola ts’isy zava-bita
Fa any anaty tsy miloaka
No andeha hampisafoaka
Hanamaintisako ny lanitro
Hiventesako ny tsy aritro
Tsia dia tsia ! Sanatria !
Mbola lavitra ny dia…

Fa anio, ny andro androany
No amafako ireo tomany
Amadihako azy ireny
Ho lasa tsiky ombieny ombieny
Anisahako ireo rahona
Mba ho lasa toy ny vahona
Mangidy fa mampody aina
Manafoana ny taraina

Eny anio, anio ihany
No azoko anovana izany !!!

RFE Andria – 10/04/2015
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
916 0
Hevitra mandeha
hjravs ( 11/04/2015 05:40)
mahafinaritra e, nefa misy ilay fiteny hoe, ny itodihana ny lasa hibanjinana ny ho avy, mamaly tononkalonao ity ilay tononkalon'i Hj Ravs hoe "Androany".
Arofanina ( 12/04/2015 08:29)
Atao toy ny dian-tana izany : todihina ny aoriana, banjinina ny eo aloha...
Misaotra ny @ setrin'ny tononkalo e!
andry 1000 ( 13/04/2015 04:19)
tena mety e!! tohizo fa tsara le ainga-panahy
Arofanina ( 16/04/2015 07:21)
Misaotra ny @ fampirisihana e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 10/04/2015 08:11
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152