You are here: home > Vetso

ANJARA - RFE Andria

Azo vakiana?

ANJARA MALALA TIANA

Nitataovan-draho-matevina
Izany lanitry ny foko
Tamin’ilay nisara-tiana
Toa hazo amoron-tevana
Tsenain’ny rivotra toloko
Nifatraram-pijaliana…

Tapa-kevitra aho tamin’izay
Ny hanidy varavarana
Tsy ho seranan-tsento intsony
Tsy hiondran-tsambo indray
Hikatsaham-pahasambarana
Hitadiavana fo tony…

Nony tojo anao anefa
Tsy nahita izay ambara
Tena diboka hafaliana
Nirodana ny efa efa
Satria tonga ilay Anjara
Ianao ilay Malala Tiana

Ahy ianao akia Malala
Io ny foko ho lapanao
Anjakao hatrany am-para
Raha ny hafa tsy hahalala
Fa tena Tiako, TIAKO ianao
Ry ilay tokako sy Anjara

RFE Andria – 31/05/14

Sokajy : Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : RFE Andria

Nampiditra : Arofanina
Daty : 05/02/2015
Mpamangy : 691
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

NOFIKO, HONO...
AZA MANAIKY
LEO...(2)
HANGINA AHO...
IANAO
MIONONA
MANAN-KAMBO
ZOVY?
TSY HAIKO (2)
HAFATRA