ANKONA (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANKONA

Ankona aho!
nifamahofaho
teo imolotro ny teny
toa injao minenineny...
Fa tapitra tarangana,
foana tsy nisy niangana
ilay fitiavantsika
zary lasa nangatsiaka...
Ka tena ankona aho!
zary maina toa taho
tafasaraka amim-potony
ka nasafotofoton'
ny rivo-doza sy tadio...
Ankona aho maraina io!

RFE Andria - 10/08/2016
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana - Fitiavana
757 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 10/08/2016 08:02
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0164