ANOMBINO - RFE Andria
Azo vakiana?
…ANOMBINO…
Mba anombino kely avy ao am-ponao ilay afo
Ka ento hamanàna ity tenako mitady safosafo
Fa kaikerin’hirifiry izato foko hatrany anaty
Hirifiry noho ny hatsiaka efa ho antara-maty
Ny afon’ny fitiavanao, rahavako, no antenaiko
Hampangotraka ahy indray sy hamelona ny aiko
Taratara aminao anie aho ka aza atosi-bohon-tanana
Fa ny fitia mifamaly no mahatsara fihavanana
RFE Andria – 08/07/14
Sokajy :
Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : ArofaninaDaty : 05/02/2015
Mpamangy : 645
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
NOFIKO, HONO...AZA MANAIKY
LEO...(2)
HANGINA AHO...
IANAO
MIONONA
MANAN-KAMBO
ZOVY?
TSY HAIKO (2)
HAFATRA