ANY ILAY MALALA... (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANY ILAY MALALA...

Any ianao Malala an, izaho aty manina
Mahatsiarotsiaro anao, torovana toa fanina
Tsy mahita tory, ny eritreritra tsy tana
Lasa any aminao, tsy voafehy, tsy tamana

Any ianao Malala an, tsapako mamelovelo
Miombom-po, miray fanahy, reko aty fa malahelo
Toa nilaozan-torimaso noho ny telepatia
Mosarena safosafo, te hianoka fitia

Any ianao Malala an, ndeha hatory amin'izay
Any am-bohitry ny nofy hotohizantsika indray
Ny orokoroka sy fihina ilay tena ankafizinao
Any isika ho tafaraka ary izaho eo anilanao

Tsiky Arofanina – 12/11/2015 (@ 3 ora maraina)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1866 1
Mpakafy: haraldtohaina
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 12/11/2015 01:47
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158