AVELAO (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AVELAO

Aza tiavina intsony akia aho
Fa toy ny ravina tsy amin-taho
Maina, makiana sy efa malazo
Aleo ianao mitady izay sarivazo

Izaho, he! indrisy tsy manan-komena
Na ny fitiavako aza toa tia tena
Faly mandray sy faly mitaty
Mova tsy toy ny ranomasina maty

Aza manahy, avelao aho ho irery
Fa mahonena tsy mahate hijery
Tsofiko rano ianao hahita ny soa
Tia sy tiana ary mahafa-po

RFE Andria - 24/12/2015
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1334 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 25/12/2015 07:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153