AZA ILAOZANA AHO (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AZA ILAOZANA AHO…

Ianareo izay mikatsaka ny kintana
Ianareo izay miaina anaty nofy
Ianareo maherifon’ny habaka
Manana fo lehibe noho ny tany
Omeo ahy ny herijiky
Ento aho any lavitra eto
Aza ilaozanareo aho
Fa avelao hanara-dia anareo
Ianareo misidina mitety tanàna
Avelao aho hiaina
Ilay dia tsara indrindra
Mankamin’ireo masoandro
Sy ireo vohitry ny fitia
Ianareo mpanoratra, poeta
Ianareo natao hitondra hafatra
Mety ianareo hahita
Hirahira vaovao
Omeo ahy ny fahafahana
Ny hikalo koa izany
Aza ilaozanareo aho
Fa avelao hanara-dia anareo
Ianareo misidina mitety tanàna
Avelao aho hahita
Ny hamangan’iny lanitra
Ny fifalian’ny olona afaka
Eny an-tanamasoandro
Amin’ny vetsovetson-kira
Eny an’habaka fitia
Ianareo mpanoratra, poeta
Mikatsaka fiainan-kanto
Misidina any amin’ny hoavy
Aza ilaozareo aho…

RFE Andria – 21 janoary 2015
--------
Rohy:
879 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 05/02/2015 11:50
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149