AZA MITOMANY (RFE Andria)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Setrin’ny AZA MITOMANY nosoratan’i Martelle Nath…
Eny ary fa hoezahiko ny hamoana ny tomany
Raha sanatria voasaraka – SANATRIA anie izany –
Ka ireo hafatrao rehetra, harahiko sy hohajaiko
Hitsiky aho raha azo atao, na tsy izany ny ao an-tsaiko.
Ireo kalo maminao, hovetsoiko sy hohiraiko
Mba hanainga ny fanahy, hamelombelona ny aiko.
Ny voninkazo anthurium, hataoko hatrany taza-maso
Mba hikosoka ifotony izay vokatry ny ankaso
Na tsy haiko ny mitendry ny valiha sy lokanga
Horotsiako foana ihany harahiko feon’ampanga*
Izay hamelovelo am-poko ireo mamy hotsaroana
Hanafoana mba tsy hisy izay navela ho babangoana
Tsy hisalorako ny mainty, na ny fotsy, eny koa
Fa ny hisaonako anao dia ho fisaonana ao am-po
Tsy harikivy raha ny endriko fa ho fenoiko kosa tsiky
Ho fahatsiarovako isan’andro ilay fitiavanao iky !
Nefa koa raha ny lojiky dia izaho no ho lasa aloha
Ka ireo hafatrao dia ataovy ho fahatsiarovana ahy koa…
(mampalahelo ihany ny mieritreritra an’ilay tranga an…)
* feon’ny rivotra mitsoka eny anaty ravin’ampanga
RFE Andria – 20/05/14
--------
Rohy:
Sokajy :
Fahafatesana