DISO VE AHO ? (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DISO VE AHO… ?

Diso ve aho raha naneho hasarotam-piaro
Ka niteny sy niangavy hoe “mba atsaharo!”
Ny hosoka atao amin’asa soratry ny hafa
Tsy mitondra mankaiza fa vao mainka mampijafa?

Diso ve aho raha avy hatrany dia nitroatra
Ka nikorisa izato peniko, nanoratra, sendaotra
Fa ny fananan’ny namako, dia ny sangan’asany
No navily, nangalarina sy norobain’ny sasany?

Diso ve aho raha niefonefon’hatezerana
Ka nanao aviavy teny, teny mafy tsy noferana
Satria ilay fomba mahonena no mba tena tsy lefitro
Ka tsy nianina aho irery nampiaka-peo tato an’efitro?

Raha diso aho, iangaviako: mba ahitsio re azafady
Sanatriaviko anefa fa tsy nataoko ho filana ady
Fa fahasarotam-piaro ihany ka tsy nihambahamba
Nefa sao dia diso toerana? Tena diso aho angamba?

RFE Andria – 06/05/14
--------
Rohy:
1697 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 05/02/2015 12:06
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0169