EKEKO (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
EKEKO

Ekeko, Tompo, izay mihatra raha izay no sitrakao
Tsy asiako adivarotra ho izao na ho izao
Satria resy lahatra aho fa izay no mahasoa
Na tsy takatro aza izany dia inoako amin'ny fo

Eny, ekeko tsotra izao ny fandaharanao rehetra
Izay mikatsaka ho ahy ireo soa tsy manam-petra
Ampianaro aho hahay hanankina Aminao anio
Ny fiainako tontolo, ny finoako Anao ampio

Amen !

RFE Andria - 14/07/2016
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
970 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : arofanina
Daty : 14/07/2016 08:52
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157