You are here: home > Vetso

ETO - RFE Andria

Azo vakiana?

ETO

Eto no amoahako ireo fihetseham-poko
Maro loko
Eto no ampandriako ireo aingam-panahy
Manetsika ahy
Ho lasa asasoratra mirakitra aman-teny
Ireo hita teny ho eny

Eto no amborahako ireo tsiambaratelo
Mampamelovelo
Eto no androtsahako ireo ranomaso
Vokatry ny ankaso
Ho lasa ranomainty voarakitra an-takila
Ireo mivaralila

ARIVELO NAIVO - 04.03.2017

Sokajy : Aingam-panahy

Mombamomba

Mpanoratra : RFE Andria

Nampiditra : arofanina
Daty : 04/05/2017
Mpamangy : 527
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

NOFIKO, HONO...
AZA MANAIKY
LEO...(2)
HANGINA AHO...
IANAO
MIONONA
MANAN-KAMBO
ZOVY?
TSY HAIKO (2)
HAFATRA