EZAKA (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
EZAKA

Na impiry aho no lavo
Mbola hiarina hatrany
Ka hibanjina ny avo
Tsy hiladina an-tany…

Na impiry aho no tsy afaka
Mbola hamerina indray
Tsy hijanona ho solafaka
Dia ho tafita amin’izay…

Na impiry very lalana
Tsy handrotsa-dranomaso
Fa hamindra mahalana
Handreseko ny ankaso…

Na impiry no tsy hanjary
Izay rehetra nokinasa
Hosetraiko an-karihary
Rehefa mety ho vavaasa…

N’inona n’inona hitranga
Tsy natao aho hitofezaka
Na hoe koa hilangalanga
Fa noforonina hiEZAKA…

RFE Andria – zoma 30 janoary 2015
--------
Rohy:
Sokajy : Ezaka - Ady - fiainana
1201 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 05/02/2015 12:11
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109