FAHAFAHANA? (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FAHAFAHANA ?

Dia hotapenam-bava tsy hanakiana na hanambara
Ny ratsy sy tsy mety tsy ho voarakitra an-tantara
Ny vahoaka malagasy misy efa an-tapitrisa
Mba hampandry fehizay iretsy an-kila vitsy an’isa

Mitroara ianao ry peniko, ‘ndeha vakio bantsilana
Ity lalàna mitanila tena hita hoe mivilana
Tsy dia maninona aza na ho ritinao ny ranomainty
Raha izany no ilaina hamakiana faintifainty

Mivonóna ianao ry soratro, zava-marina lazaina
Hita miharihary izao: ny fahafahanao hogejaina
Asongadino mba hiavahany ireo hita fa tsy rariny
Ny fanao mamohehatra izay mambotry sy ny tariny

Izany ve no tondroina ho lalan’ny fahafahana
Fanamparam-pahefana amin’izay mibahambahana?
Fahafahana miteny, nitoloman’ireo zoky?
Mivondrona ianao ry heriko, aza dia manary toky…!

RFE Andria – 18/06/2016

L’article 20 de la loi sur la cybercriminalité prévoit que :
« L’injure ou la diffamation commise envers les Corps constitués, les Cours, les Tribunaux, les Forces Armées nationales ou d’un Etat, les Administrations publiques, les membres du Gouvernement ou de l’Assemblée parlementaire, les fonctionnaires publics, les dépositaires ou agents de l’autorité publique, les citoyens chargés d’un service ou d’un mandat public, temporaire ou permanent, les assesseurs ou les témoins en raison de leurs dépositions, par les moyens de discours, cris ou menaces proférés dans les lieux ou réunions publics, soit par des écrits, imprimés, dessins, gravures, peintures, emblèmes, images ou tout autre support de l’écrit, de la parole ou de l’image vendus ou distribués, mis en vente ou exposés dans les lieux ou réunions publics, soit par des placards ou des affiches exposés au regard du public, soit par le biais d’un support informatique ou électronique, sera punie d’un emprisonnement de deux ans à cinq ans et d’une amende de 2 000 000 Ariary à 100 000 000 Ariary, ou l’une de ces peines seulement ».
--------
Rohy:
Sokajy : Fahafahana
3459 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : arofanina
Daty : 18/06/2016 03:37
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015