FAHAFAHANA (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FAHAFAHANA ?

Aza tsiny indrindra re ry Gasikara tanindrazako
Raha toa aho mangina hatramin’izao tsy miarahaba
Na ny saina tsy natsangako, ao am-bata nogiazako
Sao mantsy dia maneso ity dradraina an-tabataba

Sa dia izao mihitsy no atao hoe fahaleovantena
Fa izaho no dia ketrina ary koa tena donendrina
Avy any ivelany avokoa ireo karazam-panerena
Dia ny zaza Malagasy faly milalao harendrina?

Ny mpitondra mifanesy tsy natao hahatapak’ahitra
Faly fa toloran-tseza mampidingina ny rambony
Dia mangorona harena, matimatim-boninahitra
Raha ny fampandrosoana dia ataony ambinambiny

Ny vahoaka Malagasy indray ihomehezan’ny vahiny
Ny fireneny dia esoiny: lazainy fa an’ny babakoto
Aiza izao ilay fahafahana nimatesana fahiny
Izay nanaovana vy very nihosoram-bovoka maloto?

Aza tsiny indrindra re ry Gasikara tanindrazako
Raha toa aho mangina hatramin’izao tsy miarahaba
Ny saina aza tsy natsangako, ao am-bata nogiazako…
Tsy maninona aho irery no avelao hibabababa

RFE Andria – 26/06/2015
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
655 0
Hevitra mandeha
sitraka feno tanteraka ( 01/07/2015 05:32)
marina
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 26/06/2015 12:37
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0161