FAHATSIAROVANA... - RFE Andria
Azo vakiana?
FAHATSIAROVANA
Tsy afaka ato an-tsaiko akia
ilay endrikao misariaka
miramirana fitia
toy ny volana baliaka
Mbola tsy afaka ato am-poko
ireo hirahirantsika
fa injao mandokoloko
ny tsiahy tsy mety hipiaka
Tsy afaka ato an-dohako ato
ny mombamomba anao rehetra
fa injao manakoako
toy ny mamy ts'isy fetra
Fahatsiarovana miraikitra
sarotsarotra adinoina
maningotsingotra manaikitra
fa tsy satriko vonoina
RFE Andria - 04/10/2016
Sokajy :
Fahatsiarovana, Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : arofaninaDaty : 04/10/2016
Mpamangy : 1202
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
NOFIKO, HONO...AZA MANAIKY
LEO...(2)
HANGINA AHO...
IANAO
MIONONA
MANAN-KAMBO
ZOVY?
TSY HAIKO (2)
HAFATRA