FANINA (RFE Andria)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FANINA

Andeha mba tazano
Fa toa nahazo angano
Ity zatovo iray :
Jereo toa miolomay
Mirintona, tomany
Ny jeriny any ho any…

Io maraina androany
Ilay tiany eto an-tany
Nandefa ny someso
Nilaza toa naneso :
Tapaka tarangana
Ny fitia natsangana
Ka tsy tia intsony
Fa leo koa ny fony…

Dia iny ilay zatovo
Tsy tana tao am-bovo
Tsy nahatelin-kanina
Nandraingirainy, fanina
Ny fara-fijaliana ?
Nilaozan’olon-tiana
Ny andron’ny fitia
No nisy ilay taria…

RFE Andria – 14 febroary 2015
--------
Lien:
Catégorie : Fisarahana - Fitiavana
1172 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : RFE Andria
Inséré par : Arofanina
Date : 14/02/2015 04:46
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0134