FARANY (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FARANY

Androany akia,
- Tsy hoe ho doria –
No farany anoratako amin’ny endri-tononkalo
Rahampitso aho hiverina ho anisan’ny mpandalo
Hijanona ho mpankafy
Sy ho mpankatia
Ny asa soratr’ireo namana
Izay efa tena havanana
Eo amin’io sehatra io
Ka anio
Ity mihitsy mantsy aza
- Tenin’olon-dehibe fa tsy hoe hevi-jaza –
No tononkalo farany avoaky ny peniko
Fa efa tankina ny teniko
Ka aleo kely aloha
Hiala sasatra tokoa
Aza ivakiana loha
Na hampalahelo fo
Izao fanapahan-kevitro izao
Izaho anie tsy hoe handao
Ny tontolon-java-kanto
Fa hankasitraka eny foana ireo soratra milanto
Any aoriana
Fa tsy haiko hoe rahoviana
Dia hiverina eto ihany
Raha mbola sitrakao izany
Koa, androany akia,
- Tsy hoe ho doria –
No farany anoratako amin’ny endri-tononkalo
Aza tsiny, aza fondro! Aza atao toa fahavalo…

RFE Andria – 14/06/14
--------
Rohy:
Sokajy : Kolontsaina
760 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 05/02/2015 12:58
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155